Select your language
Afrikaans
Arabic
Basque
Bulgarian
Catalan
Chichewa
Chinese
Croatian
Czech
Danish
Dutch
English
Farsi
Fijian
Filipino
French
German
Greek
Hebrew
Italian
Japanese
Kinyarwanda
Kisongie
Korean
Lingala
Malagasy
Norwegian
Nuer (Sudan/South-Sudan)
Oromo
Polish
Portuguese
Romanian
Russian
Slovak
Somali
Spanish
Swahili
Swedish
Tshiluba (DR Congo)
Turkish
Welsh

Ny fampakaram-bady tao Kana

Vakio Jaona 2:1-11

Nasaina hanatrika fety fampakaram-bady Jesosy sy ny mpianany.

Nanam-potoana izy hanome voninahitra izany raharaha izany satria Andriamanitra mihitsy no nanolotra ny fanambadiana ho an’ny olona mba hahasambatra azy.

"Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana"

Hebreo 13:4

Lany anefa ny divay nandritra ny fety. Efa nomanina ny siny lehibe ho an’izany fampakaram-bady izany kanefa dia foana sahady.

Mandalo haingana ny fifalian’izao tontolo izao ary mahatonga ny fon’olombelona ho foana.

Fa ny Tompo Jesosy kosa miteny ary ankatoavina ny teniny. Nasainy nofenoina rano ireo siny ary novainy avy hatrany ho divay ny rano.

Tsy takatry ny sain’ny mpandahatra ny fanasana ny mbola nisian’ny divay tsara hatrany.

Tsara lavitra noho izay ampanantenain’izao tontolo izao ny zavatra omen’I Jesosy.

"Ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony"

Jakoba 1:17

Manome fifaliana tsy misy tahaka izany ho an’izay miandry Azy amin’ny zavatra rehetra Izy.

Tsy miankina amin’ny fitrangan-javatra eto amin’izao tontolo izao ny fifaliana omen’ny Tompo.

Nanana fifaliana ny Tompo na dia teo aza ny fijaliana teto an-tany satria nanao izay hahafaly hatrany ny Rainy Izy ary fantany fa tia Azy ny Ray.

Tsy mitondra fifaliana tahaka ny fankasitrahan’Andriamanitra ny ezaky ny tenantsika manokana.

Hanana fifaliana hanao izay hahafinaritra Tompo isika isaky ny mankato ny Teniny. Fantatsika fa tia antsika Izy ary mitady izay hahasoa antsika satria natolony ny rany teo amin’ny hazofijaliana hamonjena antsika. Fahasambarana lehibe tokoa ny manana Mpamonjy izay manam-pitiavana tsy mba miova!

"Faly aho noho ny teninao tahaka ny mahazo babo be."

Salamo 119:162

Feno fifaliana ny fon’ny mino. Tsy misy zavatra iriny afa-tsy izay omen’ny Mpamonjiny azy satria tsy misy tsara noho izany.

Fifaliana lehibe koa ny mahafantatra fa ho avy tsy ho ela ny Tompo handray ny Olony. Ny mino rehetra no hangoniny mba hiaraka aminy mandrakizay any an-danitra.

Rehefa izany dia hampandrosoiny ilay novidiany tamin’ny rany sarobidy mba ho Azy samirery. Hanomboka amin’izay ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Hatolotra an’I Kristy ny Fiangonana.

Fahafinaretana tsy hisy tahaka izany rehefa hiredona ireo hiram-pifaliana hanomezam-boninahitra ny Zanak’ondry! Ho afa-po amin’ny zavatra niriny ny fon’ny Tompo.

"Aoka isika hifaly. fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry."

Apokalipsy 19:7