Select your language
Afrikaans
Arabic
Basque
Bulgarian
Catalan
Chichewa
Chinese
Croatian
Czech
Danish
Dutch
English
Farsi
Fijian
Filipino
French
German
Greek
Hebrew
Italian
Japanese
Kinyarwanda
Kisongie
Korean
Lingala
Malagasy
Norwegian
Nuer (Sudan/South-Sudan)
Oromo
Polish
Portuguese
Romanian
Russian
Slovak
Somali
Spanish
Swahili
Swedish
Tshiluba (DR Congo)
Turkish
Welsh

Tsy ampy izany

Nofiko ve ? Nahita andian-dehilahy sy vehivavy aho indray andro izay manatona ny varavarana iray tsara tarehy, vita tamin'ny voahangy tokana. Somary misokatra ilay varavarana ka tazana eo ny lalana vita amin'ny volamena madio. Misy anjely mijoro manoloana io varavarana io, ary manao akanjo manjelanjelatra izy. Noseranan'ny alahelo tavany raha nahita ireto andian'olona manatona.

Raha ny marina, dia mitafy akanjo lava avokoa ireto mpivahiny, akanjo fotsy, nefa tsy hita intsony izany loko izany vokatry ny fotaka sy ny tasy.

Na izany aza dia miroso sady afa-po amin'ny tenany izy ireo tahaka ny olona mahazo antoka hahatratra ny tanjona nokendreny. Ilay farany tamin'ireo andian'olona ireo ihany no nijery ny akanjony tamim-pahakiviana ary latsaka ny ranomasony.

Ilay voalohany tonga teo am-baravarana kosa toa nanana endrika tia avonavona ary milanja lasaka efatra feno farantsa volamena. Napetrany teo an-tongotr'ilay anjely ireto lasaka, kinanjo nosakanan'ilay anjely izy raha iny andeha hiditra iny indrindra.

-         Andraso kely, hoy izy, inona ireto vola ireto ?

-         Efatra tapitrisa ireo, izay heveriko fa ampy tanteraka hidirako. Ankoatr'izany, tsy nisy olona nahatohitra ahy mihitsy teo ambonin'ny tany, niankohoka teo anatrehako avokoa izy rehetra. Avelao aho hiditra.

Fa ilay anjely kosa namaly rehefa avy nandinika ireo lasaka teo an-tongony ka nanao hoe:

-         Tsy ampy velively ireo. Ary rehefa avy nangina vetivety izy dia nanontany azy hoe: fa maninona no maloto ny akanjonao?

-         Fantatrao, hoy ilay lehilahy mpanapitrisa, fa tsy maintsy karohina any anaty fotaka ny vola, ary tsy nankany amin'ny toerana madio foana aho. Nefa heveriko fa tsy dia tena maloto loatra izy io.

-          Fa indro nisy lehilahy iray nanapaka ny resak'izy ireo. Vokoka ny lamosin'ilay lehilahy ary fotsy ny volony. Toa efa konkan'ny taona ny fijery azy. Nasehony ilay anjely ny maritoa iray mavesatra:

Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina.fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.

Apokalipsy 21:27

  -         Indro, omeko anao ho vidim-pidirako ny asako tsy misy fitsaharana.

Nangoraka ilay anjely nijery azy, nefa novaliany hoe:

  -         Tsy ampy velively io. Fa nahoana ange ny akanjonao no feno tasy tahaka io e?

  -         Raha fantatrao mantsy fa tsy nanam-potoana mihitsy aho hikarakarana azy! Jereo, ny an'ny sasany aza maloto lavitra noho ny ahy!

  Nisy vehivavy iray indray kosa nisintaka tamin'ireto andian'olona ka nanolotra fonosana iray lehibe feno taratasy tamin'ilay anjely:

-         Vakio daholo ireo, hoy izy, ao daholo ireo karazan'olona maro nanaovako soa sy nampiako ary misaotra ahy avokoa izy rehetra. Ary noho izany hatsaram-panahiko izany dia ahy ny lanitra!

Nefa tsy namaky na dia taratasy iray akory aza ilay anjely:

-         Tsy ampy velively izany, hoy izy. Azonao hazavaina amiko ve ny antony mampaloto maloto ny akanjonao?

-         Oadray izany fanontaninana! hoy izy nisafoaka sady naka ny taratasiny. Tsy mety kokoa ve ny manao ny tsara araka ny feon'ny fieritreretana toy izay mikarakara izany zavatra tsy misy fotony izany!

Indro, nisy lehilahy iray tonga mitondra Baiboly lehibe:

-         Inty ny boky nianarako nandritry ny fiainako rehetra, hoy izy tamin'ilay anjely. Apetraho amiko daholo ny fanontanianao rehetra fa hovaliko avokoa na dia sarotra aza. Nefa tsy nametra-panontaniana ilay anjely na dia iray aza.

-         Tsy ampy izany! Hoy izy tamin'ny feo entitra. Ny loton'ny akanjonao izao no zava-dehibe.

Nijery azy ilay lehilahy ka nanao hoe:

-         Marina izany. Tsy tsikaritro mihitsy ny lokony. Azoko antoka fa ny hazavrna mivoaka avy amin'ity varavarana ity no mampiharihary ny loto.

Nahatsiaro menatra izy ka lasa niatakataka.

Vehivavy iray mitafy lamba manitra kosa indray no tonga nanarakaraka azy:

-         Ny fofon'ny fitafiako, hoy izy, no porofon'ny fahazotoako mandeha miangona. Saiky isan'andro mihitsy aho no mandeha mankany.

Tsy nahafaly ilay anjely anefa ilay fofona:

-         Tsy ampy izany, hoy izy. Misy ranomanitra ny akanjonao, nefa maharikoriko. Tsy afaka hiditra amin'izao akanjo maloto izao ianao!

-         Tsy azoko mihitsy, omeko ny mpanadio akanjon'ny fiangonana isan-kerin'andro ity akanjoko ity. Ary rehefa avy eo averiny aty amiko tahaka izao ka lazainy fa madio ilay izy.

Nisy vehivavy iray hafa indray tonga nitanisa ny vavaka nataony:

-         Entiko eto aminao avokoa ny vavaka rehetra nataoko, hoy izy niteny, sady afa-po tamin'ny tenany.

Nanifikifi-doha ilay anjely:

-         Tsy ampy izany, hoy izy. Nahoana no maloto ny akanjonao?

-         Azafady, hoy ilay vehivavy, nolazaina tamiko fa arakaraky ny hanaovana vavaka maro no hahafaka ireo tasy rehetra ireo. Indrisy! Tsy nandaitra anefa izany, sady nitomany izy.

Lehilahy iray mampiseho endrika malahelo sy voton-dranomaso kosa indray no nanarakaraka azy teo anoloan'ny fahazavan'ilay varavarana:

-         Nijaly loatra aho, hoy izy.

Onena ilay anjery nijery azy:

-         Tsy ampy izany. Tsy madio tsara ny akanjonao mba ahafahanao miditra ato.

-         Nihevitra aho, hoy izy, fa ny ranomasoko no hahadio azy tanteraka.

Nandroso amin'izay ilay farany tamin'ny andiany. Nitomany koa izy, ary mba hanaporofoany

amin'ilay anjely ny fibebahany dia nampiseho fifehezan-tena izy:

-         Nataoko izay hanafahako ny fahotako, hoy izy, kanefa mbola hitako maloto foana ny akanjoko, ka nanao zava-mafy aho ho famaizan-tena.

Namerina farany ilay anjely hoe: Tsy ampy izany.

Fa nanatona kosa ity lehilahy iray manana endrika mirana ary miakanjo fotsy lavitra noho ny oram-panala. Notsikian'ilay anjely izy sady navelany hiditra avy hatrany fa tsy nametrahany fanontaniana akory.

-         Fa nahoana io olona tsy mitondra na inona na inona io no avela hiditra fa tsy izahay? Hoy ny antsoantson'ireo tonga voalohany.

-         Tsy tsikaritrareo ve ny hafotsin'ny akanjony? Ny azy nosasany tamin'ny ran'ny Zanak'Andriamanitra, ilay Zanak'Ondry novonoina (Apokalipsy 7:13-17). Izay ihany dia ampy ary tsy maintsy atao.

Tsy mbola renareo ve fa ny ran'i Jesosy no manadio ny fahotana?

-         Renay tokoa, kanefa nihevitra izahay fa misy fomba maro hafa izay mety koa. Tena voafitaka izahay. Te-hankato izay lazainao izahay ary te-hanadio ny akanjonay amin'io ra sarobidy io.

-         Tara loatra, hoy ilay anjely. Tokony nataonareo izany talohan'ny andehanana aty.

Ary hitako rehefa avy eo ireo andian'olona ireo very tao anatin'ny aizina sady mikiakiaka vokatry ny famoizam-po.

Nahatsiaro tena aho taorian'izay ary tsy afaka tao an-tsaiko ny zavatra hitako.

Milaza amintsika ny Tenin'Andriamanitra hoe:

"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha" Efesiana 2:8

"ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra" IJaona 1:7

Ary ny ankanjonao, ry mpamaky malala, mba efa voasasa tamin'ny ran'ny Zanak'ondry ve?