Select your language
Afrikaans
Arabic
Basque
Bulgarian
Catalan
Chichewa
Chinese
Croatian
Czech
Danish
Dutch
English
Farsi
Fijian
Filipino
French
German
Greek
Hebrew
Italian
Japanese
Kinyarwanda
Kisongie
Korean
Lingala
Malagasy
Norwegian
Nuer (Sudan/South-Sudan)
Oromo
Polish
Portuguese
Romanian
Russian
Slovak
Somali
Spanish
Swahili
Swedish
Tshiluba (DR Congo)
Turkish
Welsh

Ilay dia lehibe

"Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy"  Salamo 107:30

Niondrana tao amin'ity sambo iray aho indray maraina izay rehefa nasain'ilay kapiteny mba handeha ho amin'ny toerana iray izay tsara lavitra. Mitodi-doha ho amin'ny tany iray izay tsy mba semban-drahona mantsy  ilay sambo.

« Tompo ô (Jesosy), hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay." Jaona 6:68

Mijanona isaky ny seranana izy mba handray izay rehetra te-hamaly ny antson'ilay kapiteny ary te-handao ny tany izay tsy misy fanantenana, tany mirimorimo ho any amin'ny fahaverezana.

"ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy." 1Tesaloniana 1:9-10

Ahitana karazan'olona maro ny tantsambo. Tanora, antitra, manankarena, mahantra, marary, salama, manam-pahalalana na tsia. Mitovy avokoa izy ireo anatrehan'ilay kapiteny ary samy manana ny toerany sy ny andraikiny avy ao amin'ny sambo.

"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana.dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa." IKorintiana 12:4-7

Tsy mbola nisy tantsambo very an-dàlana na dia iray aza ary tsy hisy mihitsy izany.

"Tsy (hisy) hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra" Romana 8:38

Toa dia tandindonin-doza izato izy. Matetika izahay no mahita tora-pasika, tafio-drivotra ary jiolahin-tsambo, ka raiki-tahotra aho indraindray. Nefa tsy misy tokony hampanahy satria azo antoka ny fitondran'ilay kapiteny.

"Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra nefa tsy mamoy fo" IIKorintiana 4:8

"ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray." Jaona 10:29

Misokatra mandrakariva ny boky manoro ny làlana tokony haleha. Manome ny toromarika rehetra ilaina izy mba hampandroso ny asa sy hahasoa ny rehetra.

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa . ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra." IITimoty 3:16,17

Ampy sy feno ny sakafo. Ny kapiteny mihitsy no manara-maso mba hahazo izay sahaza azy avy ny tsirairay. Ny lakaly dia hipoky ny karazan-java-tsoa izay mampahatsiaro sahady ny fahafenoana ho hitanay any amin'ny fitodiana.

"Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy." Filipiana 4:19

Mahafinaritra ery ny mahita ilay lay lehibe tsofin'ny rivotra izay nandrasana! Ary izany no ahafahanay mandroso hiatrika ireo onjan-drano amim-pahasahiana.

"Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina" Romana 15:13

Misononoka ho amin'ny fiainam-baovao izahay. Mpivahiny izahay ary tsy ho ela dia ho tonga ao amin'ilay seranana irinay.

"Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo" Romana 3:20